TETIKASA MIATRIKA SAKAVE

KAOMININA AMBANIVOHITRY FENOARIVO DISTRIKAN’NY FARAFANGANA

Notontosaina nandritra ny roa andro ny fitsinjarana ireo fanampiana tosika fanampiana andiany faharoa mba ahafahana miatrika ny fahasahiranana SAKAVE ankehitriny ao amin’ny Kaominina Ambanivohitry Fenoarivo , Distrikan’ny Farafangana.

Akoatry ireo nisitraka ny Tetik’asa TSIMBINA no nisitraka ity fanampiana ity ka nahitana mpisitraka miisa 2935 tokan-trano marefo ary ny tokantrano tafiditra ao anatin’ny fikambananan’ny Tantsaha dia notolorana fitaovam-pamokarana sy masomboly ihany koa izay miisa tokantrano 600.

Nandritra ny fidinana ifotony dia nisy ihany koa ny dinidinika niarahana tamin’ireo mpisitraka amin’ny fahaizana mitantana, famporisihana azy ireo amin’ny fanaovana tahiry sy ny fiompiana mba ho entina hanatsarana ny fihariana,

Nisy ihany koa ny fanentanana maro samy hafa mahakasika ny ady amin’ny Herisetra, FIAROVANA ny zon’ny ankizy…..

Izany no tanteraka dia vokatry ny fiaraha miasa hatrizay misy amin’ny Ministeran’ny Mponina sy ny Firaisan-kina sy ny ONG WHH ( Welt Hunger Hilfe) Farafangana.

FIAHIANA ARA-TSOSIALY MIARAKA AO ANATIIN’NY FAHASAMIHAFANA ANTOKY NY FAMPANDROSOANA MAHARITRA !