SEHO SEHATRA ENTINA MAMPIFALY NY ANKIZY SADY MAMPITA HAFATRA NATAON’NY CLOWN SANS FRONTIÈRES AVY ANY FRANTSA SY NY TARIKA TELO FANGADY NIARAKA TAMIN’NY FITALEAVAM-PARITRY NY MPONINA AMORON’I MANIA, TETO AMBOSITRA
Nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny Fitaleavam-paritry ny Mponina sy ny Firaisankina tamin’ireo teratany vahiny Clowns sans Frontières avy any Frantsa sy ny Tarika telo fangady avy any Antananarivo, izay nampifaly ireo ankizy tsy afaka misitraka fampisehoana , ary natao tamin’ny endrika nampihomehy nefa nampita hafatra toy ny zon’ny ankizy, fiarovana ny tontolo iainana, ny ady amin’ny Herisetra…
Mahafinaritra 3 andro eto Ambositra izy ireo ,anisany notsidihina manonkana ny : Ankany Ambinintsoa Andranonanahary, ny centre Tsarahonenana Momera max, ny EPP Alakamisy, ny Trano fitiavana maharivo izay nisy ankizy 1000 mahery nisitraka izany ary hifarana rahapitso any amin’ireo Voafonja ny seho sehatra .
Hita taratra ny hafaliana ary tafita ny hafatra. Mankasitraka antsika rehetra niara-nientana nandray azy ireo.
MIAHY HATRANY NY MAHA OLONA