๐…๐€๐‘๐ˆ๐“๐‘๐€ ๐•๐€๐Š๐ˆ๐๐€๐๐Š๐€๐‘๐€๐“๐‘๐€

๐…๐ˆ๐•๐Ž๐‘๐ˆ๐€๐Œ๐๐„ ๐๐€๐’๐ˆ๐Ž๐๐€๐‹๐˜ ๐‡๐Ž ๐€๐’๐ˆ๐‘๐„๐Ž ๐“๐Ž๐Œ๐๐Ž๐๐€๐๐ƒ๐‘๐€๐ˆ๐Š๐ˆ๐“๐‘๐€ ๐„๐Ž ๐€๐๐ˆ๐•๐Ž๐’๐๐˜ ๐Œ๐ˆ๐๐ˆ๐’๐ˆ๐“๐„๐‘๐€๐’๐๐˜ ๐Œ๐๐Ž๐๐ˆ๐๐€ ๐’๐˜ ๐๐˜ ๐…๐ˆ๐‘๐€๐ˆ๐’๐€๐-๐Š๐ˆ๐๐€

Tontosa soa amantsara ny fivoriambe nasionaly niarahana tamin’ireo Talem-paritrin’ny Mponina sy ny Firaisan-kina rehetra manerana ny Nosy sy ireo Tomponandraikitra eo anivon’ny Ministera Foibe izay notanterahina tao Antsirabe Renivohitra, Faritra Vakinankaratra. Nitarika izany ny Minisitra ๐‘๐€๐™๐€๐…๐ˆ๐๐‰๐€๐“๐Ž ๐€๐ฎ๐ซ๐žฬ๐ฅ๐ข๐ž.

Tao anatin’ny hateloana no nanomezana azy ireo fanofanana sy tantsoroka mahakasika ny haitarika, ny andraikitra sahanin’ny Ministera eo amin’ny lafin’ny fiahiana ara-tsosialy sy ny fahaiza-mitantana ny volam-panjakana .

Nisy ihany koa ny fananganan-tsaina ny alatsinainy faha-03 Febroary izay niarahan’ireo Delegasiona rehetra sy ireo mpiara-miasa eo anivon’ny Fitaleavam-paritra Vakinankaratra .

Notohizana tamin’ny fitsidihana ireo tanora 14 taona no mihoatra avy amin’ny tokantrano marefo izay manaraka fiofanana ao amin’ny CPSE (Centre de Promotion Socio-ร‰conomique) Antsirabe izay novatsiana fitaovana enti-miofana ho fanamafisana ny fampizakantena azy ireo.