Nandalo tao amin’ny Faritra Anosy ny Minisitra ny Mponina sy Firainsan-kina. Nakotroka ny fitsenana teo amin’ny seranam-piaramanidina niarahan’ireo Olomboafidy sy Olomboatendry ary ireo fikambanam-behivavy.

Rehefa vita izay dia nitohy avy hatrany tany Ambovombe Androy ny dia ka namory ireo fikambanam-behivavy tao aminโ€™ny biraonโ€™ny Minisiteranโ€™ny Mponina sy ny Firaisan-kina ny Minisitra ๐‘๐€๐™๐€๐…๐ˆ๐๐‰๐€๐“๐Ž ๐€๐ฎ๐ซ๐žฬ๐ฅ๐ข๐ž.

Nentanina izy ireo mba handray andraikitra feno eo aminโ€™ny seham-pamokarana maro samihafa.

Nohamafisiny fa mila ampiasaina ireo foto-drafitrasa eny an-toerana hahafahanโ€™ny vehivavy mivory sy mandray karazana fampiofanana maro. Tanjona ny fampizakan-tena tanteraka azy ireo ho antoky ny fandrosoana sy ny fizakantena.

Nampatsiahivin-dRamatoa Minisitra fa ny fivondronana ao anaty fikambanana dia anisan’ny endrika iray anehoana ny firaisankina ka manamora ny fampivoarana ireo mpikambana. Farany dia notsindriana manokana fa anisan’ny fampivoarana voalohany ny fandefasana ny ankizy mianatra amin’izao fidiran’ny mpianatra izao.