๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐-๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐๐โ๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐โ๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐ฬ๐๐๐
Ho fanomezan-danja ireo mpiara-miasa aminy dia nanatanteraka fihaonam-be tao aminโny Havoria Anosy ny Minisitry ny Mponina sy ny Firaisan-kina ๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐ ๐๐ฎ๐ซ๐ฬ๐ฅ๐ข๐.
Fototra voalohany aminโny vinanโny Filohanโny Repoblika Andry RAJOELINA ny Fampiroboroboana ny maha-olona ka ny Minisiteranโny Mponina no anisanโny tomponandraikitra voalohany ao anatinโizany.
Nanamafy ny Minisitry ny Mponina fa andraikitry ny tsirairay ny fanatanterahana ny fampiroboroboana ny maha-olona aminโny alalanโny fanamafisana ny firaisankina sy ny fandrasaina adidy eo anivonโny fiaraha-monina. Manomboka any an-tokatranonโny tsirairay izany ka miakatra eny aminโny Fokontany, ny Kaominina, ny Distrika sy ny Faritra mba ho tomponandraikitra ary misitraka ireo tombony entinโizany ny Mponina manerana ny Nosy. Izany dia hahafahana manatanteraka ilay tanjona hoe TSY MISY MPONINA HADINO.
Notsindriany manokana ihany koa ny hijerena haingana ireo mety ho sakana aminโny fanatanterahana ny asanโny Minisitera foibe sy ny eny aminโny faritra hafahana miara-mandroso sy mahita vokatra azo tsapain-tanana.
Farany dia nanentana manokana izy ny aminโny fandraisana anjara mavitriky ny Mponina feno taona, indrindra ny vehivavy, aminโny fifidianana izay ho Benโny tanร na sy ny Mpanolon-tsaina efa voafaritry ny CENI hatao ny 11 desambra 2024 ho avy izao manerana ny Nosy.
Nitondra ny teny firariantsoa sy fahombiazana ho an-dRamatoa Minisitra ireo mpiara-miasa aminy.