π——π—œπ—‘π—œπ—žπ—” π—‘π—œπ—™π—”π—‘π—”π—’π—©π—”π—‘π—” π—§π—”π— π—œπ—‘’π—œπ—₯π—˜π—’ π— π—£π—œπ—žπ—”π— π—•π—”π—‘π—” π—”π— π—œπ—‘’𝗑𝗬 π—­π—’π—žπ—¬ π—’π—Ÿπ—’π—‘π—”

Nisy ny fiarahana nitafatafa ho toy ny Ray aman-dreny sy zanaka teo amin’ireo “Zoky Olona na FIZOMA” mikambana eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Mponina sy Firaisan-kina eto Manakara , omaly ho fanazavana ny tetik’asa TSIMBINA sy fihainoana ireo taraina.

Miisa 140 teo ho eo izy ireo.

Zon’izy ireo ny hahafantatra izay:

-Tokony hisitraka.

-Ny fizotrin’ny asa hatramin’ny hitongavana ho mpisitraka.

-Ny taraina tokony hatao raha misy ny tsy fahafaham-po.

Nambara azy ireo ny “Zoky olona marefo” tokony hisitraka izany dia ny :

-Mitondra tena irery.

-Lohan’ny trano sy mbola mitaiza zaza.

-Hita fa marefo ara-pivelomana na misy mitaiza aza.

Nambara azy ireo ihany koa fa tsy afaka hisitraka ny olona manan-katao sy ny olona 2 ao anatin’ny tokatrano iray.

Nahatsiaro faly izy ireo ny fanazavana ary tsapa fa maro tamin’izy ireo hoe zoky olona tena marefo no efa ao anatin’ny lisitra ka tsy nisy ny taraina momba izany.

Ny fitondram-panjakana dia miezaka mandrakariva tsy manilika n’iza n’iza raha misy tohana ary mihaino izay te hitaraina.