๐“๐€๐…๐€๐๐„๐“๐‘๐€๐Š๐€ ๐€๐Ž ๐…๐ˆ๐„๐…๐„๐‘๐€๐Œ๐€๐๐†๐€ ๐ˆ๐‘๐„๐Ž ๐“๐Ž๐Š๐€๐๐“๐‘๐€๐๐Ž ๐Œ๐๐ˆ๐’๐ˆ๐“๐‘๐€๐Š๐€ ๐ŸŽ๐Ÿ• ๐•๐Ž๐€๐‹๐Ž๐‡๐€๐๐˜

Ny ๐€๐๐Š๐Ž๐‡๐Ž๐๐€๐๐€ ๐Œ๐ˆ๐€๐‘๐ˆ๐๐€ no tetikasan’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika ๐€๐ง๐๐ซ๐ฒ ๐‘๐€๐‰๐Ž๐„๐‹๐ˆ๐๐€ izay tantsoroka ho an’ireo tokantrano tena marefo. Omena trano fonena, fampiofanana, toeram-piompiana sy tany fambolena izy ireo hahafahany mihary sy mahaleo tena tanteraka.

Ho fanamarihana ny Andro Manerantany ho an’ny Trano fonenana dia fianakaviana marefo miisa 07 no nisantatra ny fifindra-monina ao amin’ny tanร na vaovao Fieferamanga, Faritra Itasy. Tokantrano miisa 83 no hafindra ka honina ao. Ny tanjona dia ny hampisitraka ny tetikasa ho an’ny fianakaviana manodidina ny 500 hatramin’ny faran’ny taona 2024.

Nanotrona sy nanome voninahitra ny fotoana ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta sy ireo Manampahefana sivily sy miaramila. Anisan’ny nandray anjara mavitrika tamin’izany ny Minisitry ny Mponina sy ny Firaisan-kina ๐‘๐€๐™๐€๐…๐ˆ๐๐‰๐€๐“๐Ž ๐€๐ฎ๐ซ๐žฬ๐ฅ๐ข๐ž.