π’π€πŠπ€π…πŽ πŒπ€π…π€ππ€ π‡πŽ π…πˆπ“π’πˆππ‰πŽπ•π€ππ€ πˆπ‘π„πŽ π“π’π˜ πŒπ€ππ€π-πŠπˆπ€π‹πŽπ…π€ππ€

Olona sahirana ara-pivelomana sy tsy manan-kialofana miisa 600 teny amin’ny faritra Anosibe, Anosy, Ampefiloha, Analakely sy Petite vitesse ary Behoririka no nisitraka lamba firakotra sy sakafo mafana ny alin’ny 29 jona 2024. Natao izao ho fitsinjovana azy ireo amin’izao andro ririnina izao. Nisy ihany koa ny fanentanana azy ireo hanantona ny SEBA Akany Fianakaviana miarina sy ny MADCAP Akany Fialofana ao Isotry. Fiaraha-miasan’ny Minisiteran’ny Mponina sy ny Firaisankina, ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Polisy Monisipaly ary ny Polisim-pirenena no nahafahana nanatontosa ity hetsika ara-tsosialy ity. Nitarika ireo mpiara-miasa ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana Minisitry ny Fitsarana, Minisitry ny Mponina sy ny Firaisan-kina mpisolo toerana, π‘π€ππƒπ‘πˆπ€πŒπ€ππ€ππ“π„ππ€π’πŽπ€ π‹πšπ§ππ² πŒπ›π¨π₯𝐚𝐭𝐒𝐚𝐧𝐚.