ππƒπ€πŽ π€π“π€πŒππ€π“π‘π€ 𝐍𝐘 π‡π„π‘π˜ π‡πŽ π…πˆπ€π‘πŽπ•π€ππ€ 𝐍𝐘 π™πŽπβ€™ππ˜ π€ππŠπˆπ™π˜

π…πˆπ•πŽπ‘πˆπ€π’𝐍𝐘 πŠπŽπŒπˆπ“π˜ ππ€π’πˆπŽππ€π‹π˜ π€πŒπˆπ’𝐍𝐘 π…πˆπ€π‘πŽπ•π€ππ€ 𝐍𝐘 π€ππŠπˆπ™π˜ Tontosa ny fivoriana iarahan’ireo komity nasionaly ho an’ny fiarovana ny zon’ny ankizy. Hiandraikitra manokana ny fanaraha-maso ny fanatanterahana ireo paikady napetraka mahakasika ireo fandaharan’asa ho fiarovana ny zon’ny ankizy izy ireo fa indrindra ny ady amin’ny herisetra. Nisongadina nandritra ny dinika ny fanamafisana ny fandrindrana ireo fandaharanasa sy politika nasionaly amin’ny fiarovana ny ankizy, ny andraikitry ny komity nasionaly izay faritan’ny lalΓ na sy didim-pitondrana mandrafitra sy mampahafantatra ireo zo fototra tokony hositrahan’ny ankizy. Ny fiaraha-miasa eo amin’ny Minisiteran’ny Mponina sy ny Firaisan-kina, ny UNICEF ary ireo mpisehatra rehetra amin’ny fiarovana ny zon’ny ankizy no nahafahana nanatontosa izany. Ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana Minisitry ny Fitsarana, Minisitry ny Mponina sy ny Firaisan-kina mpisolo toerana, π‘π€ππƒπ‘πˆπ€πŒπ€ππ€ππ“π„ππ€π’πŽπ€ π‹πšπ§ππ² πŒπ›π¨π₯𝐚𝐭𝐒𝐚𝐧𝐚, no nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny atrikasa.