๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐’๐๐ ๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐-๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐ ๐๐๐๐’๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐ ๐๐๐๐’๐๐ ๐๐๐๐๐๐ ๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐
Nanatrika sy nandray anjara tamin’ny fivoriambe voalohany maneran-tany mahakasika ny ady amin’ny herisetra atao amin’ny ankizy i Mdagasikara izay natao tao Bogota, Colombie ny 07 sy 08 novambra 2024.
Nisy ny lahadinika ofisialy mahakasika ny ezaka sy ny zava-misy eto Madagasikara manodidina ny fiarovana ny ankizy iharan’ny herisetra.
Teo ihany koa ny fametrahana ireo fanamby ho tanterahina :
– ny politika fiarovana ny ankizy hatramin’ny taona 2026 ;
– ny rafitra nasionaly ho fiarovana ny ankizy aminy herisetra ny taona 2025 ;
– ny programa nasionaly mametraka ny andraikitry ny Ray aman-dreny amin’ny fiarovana ny ankizy ny taona 2025 ;
– ny fandraisana an-tanana ireo ankizy niharan’ny herisetra ;
– n fanomezan-danja ireo Mpiantsehatra ara-tsosialy ;
– ny didim-panjakana mamaritra ny fianakaviana izay afaka mandray ny an-tanana ireo zaza tsy misy Ray aman-dreny mpiahy.
Nitarika ny delegasionina Malagasy tany an-toerana ny Minisitry ny Mponina sy ny Firaisan-kina ๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐ ๐๐ฎ๐ซ๐ฬ๐ฅ๐ข๐.