Tao anatin’ny 10 taona dia nifantoka tamin’ny asa fiahiana ny maha olona tao amin’ny Faritra Vatovavy ny ONG Pivot. Mponina manodidina ny 1 574 800 no noraisina an-tanana tao nandritra izany fe-potoana izany ka ny 48% amin’ireo dia ankizy avokoa. Tobim-pahasalamana miisa 21 ao Ifanadiana no miara-manatanteraka ny asa amin’izy ireo.

Tolotra maro no omen’ny ONG Pivot :

– tolotra ara-pahasalamana ho an’ny daholobe indrindra ny reny sy ny zaza ;

– fiantohana ny vidin’ny fitsaboana ho an’ny mponina ao Ifanadiana ;

– fandraisana an-tanana sy fampihantranoana ireo olona niharan’ny herisetra nanomboka ny taona 2023 ka olona miisa 686 no efa noraisina an-tanana ;

– fanarenana ireo foto-drafitrasa ;

Nanome voninahitra ny fanamarihana ity faha-10 taona ity ny Minisitry ny Mponina ๐‘๐€๐™๐€๐…๐ˆ๐๐‰๐€๐“๐Ž ๐€๐ฎ๐ซ๐žฬ๐ฅ๐ข๐ž.