π…πˆπ•πŽπ‘πˆπ€πŒ-𝐁𝐄𝐍’πˆπ‘π„πŽ πŽπ‹πŽππ€ πŒπ€ππ€ππ€ π…π€π‡π€π’π„πŒππ€ππ€ππ€ π’π˜ π…π€πŒππˆπ€π“πˆππ€

Natao izao ho fankalazΓ na tsingerin-taona niforonan’ny vovonan’ny olona manana fahasembanana sy ho fanohizana ireo ezaka fampiatina azy ireo.

Ho fampiroboroboana ny mahaolona, dia :

– nanome tehina fotsy, seza misy kodiarana, fanamafisam-peo amin’ny sofina ny Ministeran’ny Mponina sy ny Firaisankina ;

– 500 isa ireo olona manana fahasembanana mpikambana nisitraka nofo-kena mitam-pihavanana ;

– nisy ihany koa fampitaovana maro avy amin’ny tetik’asa Zavamanitra ;

– narahina fizahΓ na fahasalamana maimaimpoana ;

– ny varotra fampiratina nampisehoana asa tanana fampidiram-bola ataon’ireo olona manana fahasembanana ;

– ny sehosehatra maro ;

– ny fiofanana manamboatra savony.

Nofaranana tamin’ny dinidinika ambany tafotrano namaritana ireo endrika fiaraha-miasa hanatsarana ny fidiram-bolan’ireo olona manana fahasembanana ny fotoana.

Niray andraikitra tamin’izany ny solontena iraky ny Minisitry ny Mponina sy ny Firaisan-kina, ny solontenan’ny Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena ao amin’ny Faritanin’i Fianarantsoa, ny avy ao amin’ny Faritra Amoron’iMania, ny vadin’ny Solombavambahoaka lany tao Fandriana izay mitondra ny Tetikasa Zavamanitra, ny Lehiben’ny Distrika sy ireo rafi-panjakΓ na Sivily sy Miaramila.