Tonga nanao fitsidihana ofisialy ny Minisitry ny Mponina ๐‘๐€๐™๐€๐…๐ˆ๐๐‰๐€๐“๐Ž ๐€๐ฎ๐ซ๐žฬ๐ฅ๐ข๐ž ireo Delegasionina avy amin’ny Dรฉpartement du Vendรฉe, Frantsa, izay notarihin’ny Filohan’ny Filankevitra ๐€๐ฅ๐š๐ข๐ง ๐‹๐„๐๐Ž๐„๐”๐…. Tanjona ny fifampiresahana sy fijerena ireo vahaolana ho fampivoarana ny maha olona amin’ny alalan’ny fihariana amin’ny sehatry ny fiompiana sy fambolena mitondra amin’ny fahaleovantena ara-tsakafo.

Avy eo dia niara-nitsidika ny ivotoerana natao handraisana ireo olona vonona hifindra eny Fieferamanga, Distrikan’Arivonimamo, Faritra Itasy izy ireo, izay tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny Filohampirenana ๐€๐ง๐๐ซ๐ฒ ๐‘๐€๐‰๐Ž๐„๐‹๐ˆ๐๐€ atao hoe ๐€๐๐Š๐Ž๐‡๐Ž๐๐Ž๐๐€๐๐€ ๐Œ๐ˆ๐€๐‘๐ˆ๐๐€.

Omena velaran-tany mirefy 2000 tora-droa misy trano fonenana, toeram-piompiana sy fambolena amin’ny alalan’ny teknika ๐๐…๐”๐Œ๐•๐”๐ƒ๐™๐€ ireo mpisitraka hahafahany mihary sy manana sakafo ampy ho an’ny ankohonany mandritry ny taona.

Nitarika ny fitsidihana ny Minisitry ny Mponina ๐‘๐€๐™๐€๐…๐ˆ๐๐‰๐€๐“๐Ž ๐€๐ฎ๐ซ๐žฬ๐ฅ๐ข๐ž sy ny Sekreteram-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, miadidy ny Fahavitan-tena ara-tsakafo, ๐‘๐€๐™๐€๐๐€๐Œ๐€๐‡๐„๐…๐€ ๐“๐š๐ก๐ข๐ง’๐ง๐ฒ ๐€๐ฏ๐จ ๐Œ๐š๐ฆ๐ข๐ง๐ฃ๐š๐ญ๐จ๐ฏ๐จ ary ny Sekretera Jeneraly ao amin’ny Sekreteram-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, miadidy ny Tanร na vaovao sy ny Trano Fonenana izay tompomarika amin’ny tetikasa ANKOHONANA MIARINA. Ny fitsidiana dia notronin’ireo Olomanankaja sy Tomponandraikitra izay notarihin’ny Governoran’ny Faritra ITASY.