๐…๐€๐‘๐ˆ๐“๐‘๐€ ๐•๐€๐Š๐ˆ๐๐€๐๐Š๐€๐‘๐€๐“๐‘๐€

๐…๐ˆ๐•๐Ž๐‘๐ˆ๐€๐Œ๐๐„ ๐๐€๐’๐ˆ๐Ž๐๐€๐‹๐˜ ๐‡๐Ž ๐€๐โ€™๐ˆ๐‘๐„๐Ž ๐“๐Ž๐Œ๐๐Ž๐๐€๐๐ƒ๐‘๐€๐ˆ๐Š๐ˆ๐“๐‘๐€ ๐„๐Ž ๐€๐๐ˆ๐•๐Ž๐โ€™๐๐˜ ๐Œ๐ˆ๐๐ˆ๐’๐ˆ๐“๐„๐‘๐€๐โ€™๐๐˜ ๐Œ๐๐Ž๐๐ˆ๐๐€ ๐’๐˜ ๐๐˜ ๐…๐ˆ๐‘๐€๐ˆ๐’๐€๐-๐Š๐ˆ๐๐€

Tontosa soa amantsara ny fivoriambe nasionaly niarahana taminโ€™ireo Talem-paritrinโ€™ny Mponina sy ny Firaisan-kina rehetra manerana ny Nosy sy ireo Tomponandraikitra eo anivonโ€™ny Ministera Foibe izay notanterahina tao Antsirabe Renivohitra, Faritra Vakinankaratra. Nitarika izany ny Minisitra ๐‘๐€๐™๐€๐…๐ˆ๐๐‰๐€๐“๐Ž ๐€๐ฎ๐ซ๐žฬ๐ฅ๐ข๐ž.

Tao anatinโ€™ny hateloana no nanomezana azy ireo fanofanana sy tantsoroka mahakasika ny haitarika, ny andraikitra sahaninโ€™ny Ministera eo aminโ€™ny lafinโ€™ny fiahiana ara-tsosialy sy ny fahaiza-mitantana ny volam-panjakana .

Nisy ihany koa ny fananganan-tsaina ny alatsinainy faha-03 Febroary izay niarahanโ€™ireo Delegasiona rehetra sy ireo mpiara-miasa eo anivonโ€™ny Fitaleavam-paritra Vakinankaratra .

Notohizana taminโ€™ny fitsidihana ireo tanora 14 taona no mihoatra avy aminโ€™ny tokantrano marefo izay manaraka fiofanana ao aminโ€™ny CPSE (Centre de Promotion Socio-ร‰conomique) Antsirabe izay novatsiana fitaovana enti-miofana ho fanamafisana ny fampizakantena azy ireo.