๐ ๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐๐
๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐’๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐ ๐ ๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐
Tokatrano traboina miisa ๐๐๐ tao ๐๐ฆ๐๐จ๐๐ฌ๐๐ซ๐ฒ Atsimo sy ๐๐๐ ao ๐๐ฆ๐๐จ๐ฏ๐จ๐ฆ๐๐ Androy ary ๐๐๐ ao amin’ny ๐ ๐จ๐ค๐จ๐ง๐ญ๐๐ง๐ฒ ๐๐ฆ๐๐ข๐ง๐๐ง๐ข๐๐ (Taolagnaro) noho ny tondradrano nentin’ny rivodoza Jude no nisitraka tantsoroka avy amin’ny fitondrampanjakana. Lamba firakotra, vary sy menaka ary voamaina miampy ireo fitaovana fidiovana sy fanadiovana toy ny zinga, siรด, savony ho fitsinjovana ny fahasalamana.
Tonga tao Ambovombe sy Amboasary ary Taolagnaro, namangy sy nankahery ary nitondra ireo tohana isankarazany ireo ny Minisitry ny Atitany sy ny Minisitry ny Fizahantany ary ny Minisitry ny Mponina sy ny Firaisan-kina ๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐ ๐๐ฎ๐ซ๐ฬ๐ฅ๐ข๐ izay misolo tena ny Governemanta. Nanotrona izany ireo Tomponandraikitra olomboafidy sy olomboatendry avy ao amin’ny Faritra Anosy sy Androy.
Ho fanomezan-danja ny fahaiza-manao sy ho fampizakantena dia nentanina ireo vehivavy anaty fikambanana mba hanomana ny tetikasam-pihariana ka ny fitondrampanjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Mponina no hitondra tantsoroka ho amin’ny fanatanterahana izany.