Nandalo tao aminโ€™ny Faritra Anosy ny Minisitra ny Mponina sy Firainsan-kina. Nakotroka ny fitsenana teo aminโ€™ny seranam-piaramanidina niarahanโ€™ireo Olomboafidy sy Olomboatendry ary ireo fikambanam-behivavy.

Rehefa vita izay dia nitohy avy hatrany tany Ambovombe Androy ny dia ka namory ireo fikambanam-behivavy tao aminโ€™ny biraonโ€™ny Minisiteranโ€™ny Mponina sy ny Firaisan-kina ny Minisitra ๐‘๐€๐™๐€๐…๐ˆ๐๐‰๐€๐“๐Ž ๐€๐ฎ๐ซ๐žฬ๐ฅ๐ข๐ž.

Nentanina izy ireo mba handray andraikitra feno eo aminโ€™ny seham-pamokarana maro samihafa.

Nohamafisiny fa mila ampiasaina ireo foto-drafitrasa eny an-toerana hahafahanโ€™ny vehivavy mivory sy mandray karazana fampiofanana maro. Tanjona ny fampizakan-tena tanteraka azy ireo ho antoky ny fandrosoana sy ny fizakantena.

Nampatsiahivin-dRamatoa Minisitra fa ny fivondronana ao anaty fikambanana dia anisanโ€™ny endrika iray anehoana ny firaisankina ka manamora ny fampivoarana ireo mpikambana. Farany dia notsindriana manokana fa anisanโ€™ny fampivoarana voalohany ny fandefasana ny ankizy mianatra aminโ€™izao fidiranโ€™ny mpianatra izao.