π…π€π‘πˆπ“π‘π€ π€ππ€π‹π€ππ‰πˆπ‘πŽπ…πŽ

π…πˆπ€π‡πˆπ€ππ€ 𝐀𝐑𝐀-π“π’πŽπ’πˆπ€π‹π˜ π‡πŽ 𝐀𝐍’𝐍𝐘 πŒππŽππˆππ€ π€πŽ π•π€π•π€π“π„ππˆππ€

Tontosa ny fizarana ny tantsoroka ho an’ireo tra-boina vokatrin’ny andro ratsy nandalo tao Vavatenina. Tokatrano miisa 101 misy olona miisa 364 noraisina an-tanana teo anivon’ny toby fialofana no nisitraka izany.

Vary, menaka, voamaina sy lay misy ody moka ary fitaovana ho an’ny mpianatra no nomena ny isan-tokantrano.

Nifandrimbona tamin’ny fikarakarana izany ny komitim-paritra misahana ny vonjy taitra eo anivon’ny Faritra Analanjirofo.

Nitondra teny fisaorana ho an’ny fitondrampanjakana izy ireo noho ny fitsinjovana azy tao anatin’ny andro sarotra.