aherin’ny 20.000 ireo tokantrano nisitraka ireo fanampiana avy amin’ny Fitondram-panjakana tao amin’ny distrikanβIkongo nandritra izay telo andro nanatanterahan’ireo iraka avy amin’ny Filohanβny Repoblika sy Ramatoa vadiny tany an-toerana. Nisitraka izany avokoa ireo kaominina Ambinanitromby, Maromiandra, Ambatofotsy, Belemoka ary Ikongo. Nisy ihany koa ny famendrahana fanafody ireo tokantrano ho fiarovana amin’ny fipariahan’ny valanaretina tazomoka mahery vaika.
