𝐓𝐄𝐓𝐈𝐊’𝐀𝐒𝐀 𝐓𝐒𝐈𝐌𝐁𝐈𝐍𝐀

TETIK’ASA TSIMBINA DISTRIKAN’I TSIROANOMANDIDY FARITRA BONGOLAVA Tontosa nandritra ny 3 andro ny fizarana andiany faharoa amin’ny tetik’asa Tsimbina. Izay ahazoan’ny mpisitraka 13954 isa tombony ho fanatsarana ny fari-piainan’izy ireo. Nanatanteraka ny fandrindrana sy ny fanaraha-maso izany, ny ekipan’ny fitaleovam-paritry ny mponina sy ny firaisan-kina eto Bongolava.