๐…๐€๐‘๐ˆ๐“๐‘๐€ ๐•๐€๐Š๐ˆ๐๐€๐๐Š๐€๐‘๐€๐“๐‘๐€

๐•๐Ž๐๐‰๐˜ ๐‘๐€๐๐Ž ๐•๐€๐Š๐˜ ๐€๐•๐˜ ๐€๐Œ๐ˆ๐’๐๐˜ ๐…๐ˆ๐“๐Ž๐๐ƒ๐‘๐€๐Œ-๐๐€๐๐‰๐€๐Š๐€๐๐€ ๐‡๐Ž ๐€๐’๐ˆ๐‘๐„๐Ž ๐“๐‘๐€๐๐Ž๐ˆ๐๐€ ๐“๐€๐Ž ๐€๐Œ๐ˆ๐’๐๐˜ ๐“๐’๐„๐๐€ ๐’๐€๐๐Ž๐“๐’๐˜ ๐€๐๐“๐’๐ˆ๐‘๐€๐๐„

Manoloana ny firehetana nahazo ny tsena Sabotsy ao Antsirabe dia tonga tany an-toerana ireo iraky ny fitondrampanjakana mpikambana ao amin’ny governemantana nankahery sy nitondra tantsoroka vonjy rano vaky : Minisitry ny Fitsarana, Ministry ny Filaminam-bahoaka, Minisitry ny Atitany, Minisitry ny Mponina sy ny Firaisan-kina, Minisitry ny Asa sy ny Fampananan’asa ary ny Asam-panjakana, Solontena avy amin’ny Minisiteran’ny Varotra. Nanatevin-daharana tao anatin’izany hetsika izany ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny avy amin’ny Faritra Vakinankaratra.

Vary 31 taonina, voamaina 3 taonina, siramamy, savony, paty, ronono, sira no nozaraina ka traboina manodidina ny ๐Ÿฎ.๐Ÿฌ๐Ÿฌ๐Ÿฌ ๐—ถ๐˜€๐—ฎ no efa nisitraka izany. Santatra ambavarano ihany ireto fanampiana ireto fa mbola maro ny tohana ho avy ary samy hahazo ny anjarany avokoa ireo mpivarotra.