πŒπ€π“π’πˆπ€π“π‘π€ π€πŒππŽππ˜

π…πˆπ‘π€πˆπ’π€ππŠπˆππ€ π‡πŽ 𝐀𝐍’𝐍𝐘 π™πŽπ’𝐍𝐘 π€ππŠπˆπ™π˜ π€πŽ π…πˆπ€ππ€π‘π€ππ“π’πŽπ€

Tamin’ny alalan’ny FLASH MOB manoloana ny Lapan’ny tanΓ na no nanehoan’ireo ankizy raisina an-tanana ao anatin’ny Plateforme MIARO ny fahaiza-manaony.

Zaza manana fahasembanana, zaza kamboty, zaza varira, zaza autiste, zaza hiaran’ny herisetra, zanaky ny Sahirana mendrika ny misitraka zo toy ny zaza rehetra izy ireo ka nitondra hafatra maro hanairana ny mponina ao Fianarantsoa.

Namaly hafatra ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny fa ao anatin’ny firaisankina no hiarovana ny ankizy sy ny zony.

π‘πšπ² 𝐚𝐦𝐚𝐧-𝐝𝐫𝐞𝐧𝐲 𝐦𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐲 𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐒𝐀𝐒𝐭𝐫𝐚 : 𝐳𝐚𝐳𝐚 𝐯𝐨𝐚𝐚𝐫𝐨 𝐬𝐲 𝐦𝐒𝐳𝐚𝐀𝐚 𝐧𝐲 𝐳𝐨𝐧𝐲