๐€๐ˆ๐™๐€ ๐‡๐Ž ๐€๐ˆ๐™๐€ ๐๐˜ ๐‹๐€๐๐‰๐€๐’๐๐˜ ๐Œ๐๐ˆ๐’๐„๐‡๐€๐“๐‘๐€ ๐€๐‘๐€-๐“๐’๐Ž๐’๐ˆ๐€๐‹๐˜ ๐„๐“๐Ž ๐Œ๐€๐ƒ๐€๐†๐€๐’๐ˆ๐Š๐€๐‘๐€ ?

Anisany noresahina mandritry ny Iray volan’ny Ankizy ny maha zava-dehibe ny asa fiahiana ara-tsosialy eto Madagasikara. Nisy noho izany ny fihaonan-dRamatoa Minisitra ๐‘๐€๐™๐€๐…๐ˆ๐๐‰๐€๐“๐Ž ๐€๐ฎ๐ซ๐žฬ๐ฅ๐ข๐ž tamin’ireo mpiara-miombonantoka ho fanamafisana ny fiaraha-miasa eo aminโ€™ireo sehatra isan-karazany ho fanohanana ny asa sosialy manerana ny Nosy.

Manana anjara toerana lehibe amin’ny fanampiana ireo olona marefo ny fiahiana ara-tsosialy. Nanomboka tamin’ny taona 2022, ny UNICEF dia nanao fikarohana ho amin’ny fampahafantarana sy fanomezana lanja bebe kokoa ny asa fiseharana ara-tsosialy. Ny taona 2025, Distrika enina no nanaovana andrana. Tanjona ny hijerena mivantana ny anjara asan’izy ireo amin’ny fiatrehana ny trangana herisetra sy olana ara-tsosialy.