π…π€π‘πˆπ“π‘π€ πŒπ€π“π’πˆπ€π“π‘π€ π€πŒππŽππ˜

𝐅𝐀𝐍𝐀𝐁𝐄𝐇𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 π‡πŽ π€πŒπˆπ’𝐍𝐘 π“πŽπ„π“π’π€πˆππ€ πŒπˆπ“π€ππƒπ‘πŽ π…π€π‡πˆπ“π’πˆπ€ππ€

Ho fanamafisana ny toetsaina mitandro ny fahitsiana dia notanterahina tao Fianarantsoa renivohitra ny fanentanana ho an’ireo sokajin’olona avy amin’ny fikambanana samihafa : vehivavy, olona manana fahasembanana, ireo mpanao VOAMAMI. Tonga nanatrika izany ihany koa ireo fikambanana avy ao Ambohimasoa, Ambalava, Lalangina sy Isandra ary Vohibato.

Nampahafantarina azy ireo ihany koa ny maha zava-dehibe ny fitsanganan’ny fikambanana ara-dalΓ na sy ny paikady mahakasika ny fananganana tetikasa ho fampiroboroboana ny fikambanana sy ireo mpikambana ao aminy.

Mitantana fitaovana maro sy mampiasa vola izy ireo ao anatin’ny fikambanana misy azy avy ka tombony ho azy ireo ny fahaiza-mitantana ao anatin’ny mahitsy sy mangarahara.