Tontosa ny lanonana fitokanana ny sekoly Bemasoandro Akamasoa izay natao nandritry ny fitsidihana ara-panjakana ataon’ny Filohan’i Slovenie ๐๐š๐ญ๐š๐ฌฬŒ๐š ๐๐ข๐ซ๐œ ๐Œ๐ฎ๐ฌ๐š๐ซ eto Madagasikara. Nanome voninahitra izany ny Filohan’ny Repoblika ๐€๐ง๐๐ซ๐ฒ ๐‘๐€๐‰๐Ž๐„๐‹๐ˆ๐๐€ notronon’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta ka anisan’izany ny Minisitry ny Mponina sy ny Firaisan-kina ๐‘๐€๐™๐€๐…๐ˆ๐๐‰๐€๐“๐Ž ๐€๐ฎ๐ซ๐žฬ๐ฅ๐ข๐ž.

Ankizy miisa 1 300 zanaky ny Foibe Akamasoa sy ny manodidina no hisitraka fanabeazana amin’ity sekoly vaovao ity manomboka izao.

Eto Akamasoa no ohatra velona amin’ny fifanampiana, ny fanabeazana sy ny fanamafisana ny finoana hoy ny Filohan’ny Repoblika izay nankasitraka ny ezaka ataon’i Mompera ๐๐ž๐๐ซ๐จ ๐Ž๐๐„๐Š๐€ sy ireo mpanabe nanomboka tamin’ny taona 1970 ka hatramin’izao.

Niompana tamin’ny fanamafisana ny fitohizan’ny fiaraha-miasa amin’ny endrika maro samihafa no kabarin’ny Andriamatoa Filohan’ny Repoblika : fotodrafitrasa, fampitaovana, toeram-piofanana ara-kasa, fandraisan’ny fanjakana an-tanana miandalana ireo mpanabe sy mpampiofana.