ππππππ πππππ ππ ππ πππππππππ π, ππππππ ππππππππ πππ
Mpianatra miisa 94, izay nitondra ny anarana “MAZOTO”, niofana tao amin’ny CPSE Antsirabe no navita fiofanana ka vonona iasa avy hatrany.
Nitsoaka an-daharana tamin’ny fianarana izy ireo. Lahy sy vavy, 14 taona no miakatra ary mahay mamaky teny sy manoratra no fepetra andraisana ireo ankizy mpiofana ka rafitra, zaitra sy petakofehy ary fandrahoana mofo mamy no fiofanana no narahiny tao anatin’ny roa taona.
Ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Antsirabe II RANDRIAMANAMPISOA Alfred no ray mpiahy azy ireo.
#MPS #ASMAE #CFCA #GRANDIR_A