๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐’๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐’๐๐ ๐ ๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐-๐๐๐๐๐๐๐ ๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐-๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐’๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐
Ho fanamafisana ny ady atao amin’ny herisetra dia misokatra ho an’ny mponina ao amin’ny Faritra Boeny ny ๐๐๐ผ๐ป-๐๐ผ๐ฒ๐ฟ๐ฎ๐ป๐ฎ ๐๐ฎ๐ป๐ฎ๐ป๐๐ฒ๐ป๐ฎ๐ป๐ฎ izay fandraisana an-tanana ireo olona niharan’ny herisetra. Izany dia mifanampy amin’ny ๐ง๐ฟ๐ฎ๐ป๐ผ๐ป’๐ป๐ ๐ฉ๐ถ๐ฎ๐๐ ๐ ๐ฎ๐ป๐ฑ๐ฟ๐ผ๐๐ผ izay notokanan’ny Reny mpiahy Ramatoa ๐๐ข๐๐ฅ๐ฒ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐, vadin’ny Filohan’ny Repoblika, ny 8 martsa 2025 lasa teo.
Ho fanohanana ny fizakan-tena ara-bola ho an’ny Vehivavy dia nisy ny tantsoroka mitentina ๐๐ ๐๐๐ ๐๐๐ ๐๐ซ๐ข๐๐ซ๐ฒ nomena ireo fikambanam-behivavy miisa 12 manana tetikasa fihariana mifototra amin’ny asa tanana rafia, zaitra salovana, fivarotana trondro, fiompiana akoho sy fanodinana voankazo.
Nanolotra izany tany an-toerana ny Minisitry ny Mponina sy ny Firaisan-kina ๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐ ๐๐ฎ๐ซ๐ฬ๐ฅ๐ข๐ notronon’ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Mahajanga I sy ireo manampahefana Sivily sy Miaramila avy ao amin’ny Faritra Boeny ary ny mpiara-miombonantoka UNFPA izay manampy amin’ny fampitaovana ny ivon-toerana.