πŒπ€π‹π€π†π€π’π˜ πŒπ€π‡π€π˜ πŒπ€ππƒπ‘π€π˜ π•π€π‡πˆππ˜ : 𝐀𝐒𝐀 π…π€ππ€πƒπˆπŽπ•π€ππ€ 𝐍𝐘 𝐋𝐀𝐋𝐀𝐍𝐀 π€πŒππŽπ‡πˆπ“π‘πˆπŒπ€ππ‰π€πŠπ€

Ho fanomanana ny fivoriam-be eo anivon’ny SADC dia mitohy ny asa fanadiovana ataon’ireo mpiara-miasa avy amin’ny Ministeran’ny Mponina sy ny Firaisan-kina. Izao dia atao ho fanamafisana ny asa efa mahazatra eo anivon’ny Minisitera noho ny zava-dehibe sy ny lazan’ny hetsika iraisam-pirenena ho avy.

Manomboka eo amin’ny rond point Andranotapahana, mizotra mankany amin’ny lalam-baovao Ambohitrimanjaka no hifantoan’ny fanadiovana ao anatin’ny andro maromaro. Hifandrimbona amin’izany ny mpiasan’ny Minisitera miaraka amin’ny mponina manodidina : mamafa lalana, manala ireo fako sy bozoka amin’ny sisin-dalana mba hahazoana endrika madio sy mahasarika ny faritra.