๐ ๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐
๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐ ๐๐๐๐ ๐๐๐ ๐๐๐๐’๐๐ ๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐-๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐’๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐ ๐๐๐๐’๐๐ ๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐
Manoloana ny firehetana nahazo ny tsena Sabotsy ao Antsirabe dia tonga tany an-toerana ireo iraky ny fitondrampanjakana mpikambana ao amin’ny governemantana nankahery sy nitondra tantsoroka vonjy rano vaky : Minisitry ny Fitsarana, Ministry ny Filaminam-bahoaka, Minisitry ny Atitany, Minisitry ny Mponina sy ny Firaisan-kina, Minisitry ny Asa sy ny Fampananan’asa ary ny Asam-panjakana, Solontena avy amin’ny Minisiteran’ny Varotra. Nanatevin-daharana tao anatin’izany hetsika izany ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny avy amin’ny Faritra Vakinankaratra.
Vary 31 taonina, voamaina 3 taonina, siramamy, savony, paty, ronono, sira no nozaraina ka traboina manodidina ny ๐ฎ.๐ฌ๐ฌ๐ฌ ๐ถ๐๐ฎ no efa nisitraka izany. Santatra ambavarano ihany ireto fanampiana ireto fa mbola maro ny tohana ho avy ary samy hahazo ny anjarany avokoa ireo mpivarotra.