π…π€π‘πˆπ“π‘π€ πŒπ€π“π’πˆπ€π“π‘π€ π€πŒππŽππ˜

πŒππŽπ‹π€ πŒπˆπ’π˜ π’π€π‡π˜ πŒπ€πŒππˆπ€π’π€ 𝐙𝐀𝐙𝐀 π“π’π˜ π€πŒππ˜ π“π€πŽππ€ 𝐕𝐄 π€πŒπˆπ’πˆπ™π€πŽ ?

Ho fankalazana ny andro iraisam-pirenena amin’ny ady amin’ny fampiasanana Zaza tsy ampy taona dia natao ny Atrikasa arahina ady hevitra mahakasika ny vokatra ny fanadihadihana izay natao tao anatin’ny Distrika miisa 7 ao amin’ny Faritra.

Fehiny :

β€’ ilaina ny fifanomezan-tanana ho fampahafantarana ny ady atao manoloana ny Fampiasana zaza tsy ampy taona ;

β€’ misy fandraisana andraikitra andrasana avy amin’ny tomponandraiki-panjakana eny ifotony amin’ny fijerena ny zon’ireo ankizy mba afaka mianatra, misakafo, misitraka fahasalamana…

β€’ mila apetraka ny rafitra handray andraikitra isakin’ny Distrika hijery akaiky mahakasika ny fampiasana zaza tsy ampy taona ;

β€’ mila apetraka ny Ivotoerana Fandraisana an-tanana afaka hanampy ireo zaza ;

β€’ mila jerena manokana ireo fianakaviana marefo ;

β€’ mila aparitaka ny ivotoerana hahafahana manampy traikefa sy manome tohana ara Teknika mampitombo ireo AGR isaton-katrano.