π€ππƒπ‘πŽ πˆπ‘π€πˆπ’π€πŒ-ππˆπ‘π„ππ„ππ€ π‡πŽ 𝐀𝐍’𝐍𝐘 π•π„π‡πˆπ•π€π•π˜ π€π…π‘πˆπŠπ€ππˆππ€

Tsy diso anjara amin’ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho Vehivavy Afrikanina i Madagasikara tamin’ity taona 2025 ity.

Hetsika maro lafy no nanamarihan’ireo Fiaraha-monim-pirenena samihafa sy ny Minisiteran’ny Mponina sy ny Firaisan-kina ary ireo mpiara-miombonantoka an’izany :

πŸ“ivon’ny fankalazana izay notanteraha tao Bealanana, Faritra Sofia tamin’ny alalan’ny fanaovana “FOARABE” andiany fahavalo niaraka tamin’ireo fikambanam-behivavy ;

πŸ“fifanakalozana momba ny fandraisana anjaran’ny vehivavy amin’ny fametrahana fahamarinana eny anivon’ny fiaraha-monina izay niarahana tamin’ny “coalition justice sociale” sy ny fikambanan’ny vehivavy ben’ny tanΓ na, natao tao amin’ny lapan’ny tanΓ n’Antananarivo ;

πŸ“fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fampiofanana omen’i EISA ho an’ireo tovovavy 23 isa vonona hanao politika ;

Manatanteraka hetsika maro samihafa ihany koa ireo Fitalevam-paritry ny Mponina sy ny Firaisan-kina miisa 23 izay mifantoka amin’ny fampaleovan-tenan’ny vehivavy sy ny ankizy vavy mba hahatonga azy ireo ho mpandray anjara amin’ny fampandrosoana ao anaty tontolo lavitry ny herisetra.